Fampitam-baovao ofisialy

Fihaonana voalohany teo amin’ny Birao sy ny STK Ampahibe: fifampizarana sy fanomanana ny Jobily faha-50

Navoaka tamin’ny:

Fihaonana voalohany teo amin’ny Birao sy ny STK Ampahibe
Fihaonana voalohany teo amin’ny Birao sy ny STK Ampahibe

Tontosa tao Ampahibe ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny Birao mpikarakara ny Jobily faha-50 sy ny STK Chapelle Militaire Ampahibe.

Fotoana nahafahana nifanakalo hevitra sy nifampizara momba ny tantaran’ny Sampana Tanora Kristiana hatramin’ny niorenany tamin’ny taona 1976 izany. Nampahatsiahy ny lalana nodiavina nandritra ny dimampolo taona ny fihaonana, ary nanasongadina ny anjara toeran’ny STK eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana.

Nodinihina ihany koa ireo hetsika sy ny fanomanana mifandraika amin’ny Jobily faha-50, izay mahakasika ny STK manontolo, ahitana ny Antsan’ny foloalindahy sy ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahatena (RFF).

Fihaonana nanamafy ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana ho fanomanana izao fankalazana lehibe izao, ho voninahitr’Andriamanitra.

Antontan-taratasy ampiarahina

Tsy misy antontan-taratasy ampiarahina.

Hiverina amin’ny vaovao rehetra
Fihaonana voalohany teo amin’ny Birao sy ny STK Ampahibe: fifampizarana sy fanomanana ny Jobily faha-50