Fampitam-baovao ofisialy
Fivoriana voalohany iarahan’ny Birao sy ny Komity mpikarakara ny Jobily faha-50
Alahady 25 Oktobra 2026 | 12:30 | Chapelle Militaire Ampahibe
Navoaka tamin’ny:
Ho fanombohana ny fanomanana ny Jobily Volamena faha-50 taonan’ny STK Chapelle Militaire Ampahibe, dia hotanterahina ny fivoriana voalohany iarahan’ny Birao sy ny Komity mpikarakara ny Jobily.
Ity fihaonana ity dia fotoana iray hifankafantarana, hifanakalozan-kevitra ary handrindrana ireo dingana sy hetsika hoentina manomana ny fankalazana.
Fandaharam-potoana
Daty: Alahady 25 Oktobra 2026
Ora: 12:30, aorian’ny fanompoam-pivavahana maraina
Toerana: Chapelle Militaire Ampahibe
Mpandray anjara: Mpikambana ao amin’ny Birao sy ny Komity mpikarakara ny Jobily
Entanina ny mpikambana rehetra mba ho tonga sy handray anjara mavitrika amin’ity fihaonana voalohany ity. Angatahina ihany koa ny tsirairay mba hampita ny fampilazana amin’ireo komity namany.
Antsika jiaby ny Jôbily! 🎉
Antontan-taratasy ampiarahina
Tsy misy antontan-taratasy ampiarahina.